]
Les quotidiens du 25 Feb 2020
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ranomasina Indianina. Manohana an’i Madagasikara i Frantsa noho ny fahavoazana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro

Ranomasina Indianina. Manohana an’i Madagasikara i Frantsa noho ny fahavoazana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro

FILAZANA AN-GAZETY

MASOIVOHO FRANTSAY ETO ANTANANARIVO

FAHA-10 FEBROARY 2020

Teo anelanelan'ny 19 janoary sy 23 janoary 2020, dia tratran'ny fitobiana tsindrin-drivotra iva narahina orana mikija i Madagasikara. Niteraka fahavoazana goavana izany, indrindra fa tamin’ny faritra 7, dia I Sofia, Alaotro Mangoro, Boeny, Diana, Betsiboka, Melaky sy Analamanga (olona maty , olona tsy hita popoka, olona nafindra toerana, famotehana ary tondraky ny trano, sns).

Mijoro eo anilan'i Madagasikara I Frantsa ary mitondra ny fanampiany amin'ny alàlan'ny PIROI (Plate-forme d’Intervention Régionale Océan Indien) (1) na ny Velara-marin-tampona firotsahana an-tsehatra ara-paritra Ranomasimbe indianina. Nitondra fanampiana ara-bola ny fanatanterahan’ ny drafitra hetsika vonjy maikan’ny governemanta malagasy, hatramin'ny 190.000 euros (ka ny160.000 euros dia avy amin'ny Foibe krizy sy fanampiana an’ny Minisitera ny Eoropa sy ny raharaham-bahiny frantsay) ny PIROI, ka nanetsika ireo tahiry roa teo am-pelatanany teto Antananarivo sy tany Toamasina hizarana fitaovana marobe: 2000 lay misy ody moka, 650 tamba-kojakoja fialofana, 650 tamba-kojakoja fitaovana, 1300 labasy, 1.000 siny bevava ary 360 tranolay.

Ny mpiara-miasa vahiny amin’ny « fiarovana sivily » ao amin’ny fiarovana anatin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara izay napetraka teo anivon’ny Birao maharitra misahana ny loza voajanahary (BNGRC), dia nitondra koa ny traikefany sy ny fahaizany ara-teknika rehetra nandritra ny dingana vonjy voina sy fanarenana ary nanamora, hatrany am-piandohana, ny fifandraisana teo amin’ny manampahefana Malagasy, ny tompon'andraikitry ny PIROI, ny sampan-draharaha an'ny masoivoho frantsay eto Antananarivo sy ny Foibe krizy sy fanampiana (CDCS) any Parisy.

Manampy ny tafika malagasy koa i Frantsa. Taorian'ny fangatahan'ny governemanta Malagasy, ny Tafika frantsay aty Atsimon’ny Ranomasimbe indianina (FAZSOI), izay manana fahafahana ara-pitaovana, dia hanohana ny tafika malagasy hiantoka ny fandatsahana sakafo sy fanafody any amin’ny faritra voina sy sarotra aleha amin'ny alàlan'ny CASA CN-235 (2) ny. Miaramila tekinisianina frantsay ny FAZSOI am-polony, mitoby ao La Reunion, no tonga eto Madagasikara nanomboka ny 6 febroary teo ka hatramin'ny 14 febroary, hanofana miaramila ny tafika an'habakabaka momba ny fandatsahana entana amin’ny fiaramanidina mba hahazoan’ireo tra-boina fonosan’entana kely alatsaka avy eny amin’ny habakabaka.

Mba hiantohana amin’ny ho avy, ny fandraisana fepetra haingana kokoa raha sendra misy fahavoazana iray lavaka vaovao, dia nanapa-kevitra ny PIROI hampitombo ireo tahiry misy eto Antananarivo ka hampiatrana, miainga avy amin'ny trano fitobiana entana ao La Réunion, tahiry fanampiny ho amin’ny zava-tsy ampoizina, ho ana fianakaviana 650 (entana tsy fihinana sy tamba-kojakoja hanamboarana indray trano).

__________________

  1. Ny PIROI dia fitaovam-piasan'ny Vokovoko Mena frantsay izay miankina amin'ny Sampan-draharaha mpitantana ny fifandraisana sy ny raharaha iraisampirenena (DROI) izay manantontosa hatramin'ny taona 2000 tetikasa ara-paritra momba ny fiarovana ami’ny ny loza voajanahary (GRC) ao amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Ranomasimbe Indianina.

  2. Fiara-manidina mpitatitra takitika lasi-pandaminana sy fitondrana entana./.

Mis à jour ( Mardi, 11 Février 2020 04:05 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Jacob Andriambelo. Fisaorana avy any amin'ny fianakaviany

 

Mialy R. Rajoelina. L'Amour de la vie d'Andry, Président de la République

 

Ranomasina Indianina. Manohana an’i Madagasikara i Frantsa noho ny fahavoazana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro

 

Océan Indien. La France soutient Madagascar suite aux intempéries

 

Jacob Andriambelo, journaliste doyen. Ny Feraparan'ny nahalasany

 

Ambatovy : soutien à 6 coopératives villageoises dans la filière Grenadelle

 

Franck Raharison is gone but the show must go on 1! by James Ramarosaona

 

Startimes Madagascar difffusera l'EURO 2020 en direct

 

Mialy Rajoelina. Ses vœux pour le Nouvel an 2020

...