]
Les quotidiens du 21 Feb 2020
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Raharaha “gazety ny marina”. Nanaiky ny fialan-tsinin'i Jeannot Ramambazafy ny Profesora Ravonjiarison

Raharaha “gazety ny marina”. Nanaiky ny fialan-tsinin'i Jeannot Ramambazafy ny Profesora Ravonjiarison

Eo amin'ny sary avy any amin'ny avia miankavanana : Jeannot Ramambazafy, Gérard Rakotonirina, Pr Cousin Germain Ravonjiarison

Tontosa omaly talata 18 Febroary 2020 ny fihaonan'ny namana Jeannot Ramambazafy sy ny Profesora Ravonjiarison Cousin Germain izay olona tsy nifankafantatra mihitsy hatramin'izay. Rehefa nifanazava izy mianaka dia niara-niaiky fa tena nisy hevitra fampiadiana avy amin'ilay na ireo ao ambadik'ilay pejy “gazety ny marina” ao amin'ny facebook. Teo anatrehin'ny filohan'ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), Gérard Rakotonirina, sy ny tomponandraikitry ny sampana cybercriminalité ao amin'ny polisy no natao izay fialan-tsiny izay.

Mikasika ny pejy “gazety ny marina” dia efa miditra amin'ny lalin-dalina ny fikaroana ilay na ireo mahavita manompa Filoham-pirenena am-perinasa amina voam-bolana tsy voahevitra manala baraka ny fanaovan-gazety malagasy iray manontolo. Ny nanely ilay tsaho hoe nirodana ny tonelina Ambanidia aza tratra ka dia ny fanalam-baraka minisitra am-perin'asa sy lehibem-panjakana torak'izany indray ve dia havela amin'izao? Ary mitombo isa andro aman'alina ny olona efa mitory sy hitory ireo devoly mihevitra fa tsy ho tratra mihitsy.

Raha hiverenana kely ilay raharaha dia tsy ny namana Jeannot Ramambazafy mihitsy no nanamboatra ny “convocation” an'i Ny Rado Rafalimanana -tamin'ny 7 Febroary 2020 ary misy ny adiresiny eny Ambodiafontsy- natao tamin'ny anaran'ny Profesora Ravonjiarison fa ilay na ireo ao ambadik'ity “gazety ny marina” ao amin'ny facebook tsy manjary ity. Ary io anarana izay tsy fantatry ny namana Jeannot Ramambazafy io dia niniana nataon-dry zalahy solon'ny an'ingahy Ny Rado. Taty aoriana dia namoaka "lahatsoratra" miaraka amina teny ratsy mahazatra azy ireo ao an-tokan-tranony koa angamba, notsipihina mihitsy hoe "Profesora Cousin Germain". Izany hoe olona mahafantatra ity Profesora ity ry zalahy ary miketrika zavatra hipoitra amin'ny fotoana tsy ampoiziny. Koa aleho aloha hiriorioa ry zalahy fa ny nenina moa aoriana maninona moa ?

Tsimba

La Gazette de la Grande île

19.02.2020

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Jacob Andriambelo. Fisaorana avy any amin'ny fianakaviany

 

Mialy R. Rajoelina. L'Amour de la vie d'Andry, Président de la République

 

Ranomasina Indianina. Manohana an’i Madagasikara i Frantsa noho ny fahavoazana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro

 

Océan Indien. La France soutient Madagascar suite aux intempéries

 

Jacob Andriambelo, journaliste doyen. Ny Feraparan'ny nahalasany

 

Ambatovy : soutien à 6 coopératives villageoises dans la filière Grenadelle

 

Franck Raharison is gone but the show must go on 1! by James Ramarosaona

 

Startimes Madagascar difffusera l'EURO 2020 en direct

 

Mialy Rajoelina. Ses vœux pour le Nouvel an 2020

...