]
Les quotidiens du 21 Feb 2020
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Tsimbazaza. Lany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020

Tsimbazaza. Lany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020

Nolanian’ireo solombavam-bahoaka ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020 (“Loi de Finances 2020”).

Nolanian’ny Solombavam-bahoaka rehetra tsy ankanavaka nivory tao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny Sabotsy harivan’ny faha 30 novambra 2019 ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2019 tamin’ny 30 Oktobra 2019 momba ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020.

Ny lanjam-bidy amin’ny fadintseranana mahakasika ny bolabolan-tsavony kosa dia notànana ho 10% toy ny taloha, raha toa ka 20% ny tahan’ny haban-tseranana noheverina norakaitina tao anatin’ity volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana 2020 ity.

Talohan’izao fivoriana ampahibemaso nahalanian’ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020 izao, dia nisy fampahafantarana ankapobe nataon’Andriamatoa Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Randriamandranto Richard, tao Tsimbazaza misy ny Antenimierampirenena.

Nisy famelabelaran-kevitra noho izany izay nanehony mahazava-dehibe ireo fototra iorenan’ny Drafitry ny Fisandratan’i Madagasikara, dia ny lafiny ara-tsosialy, ny fitantànana ary ny toe-karena. Tsara ny manamarika, fa ny 39.57% ny tetibolam-panjakana dia natokana ho an’ny lafiny ara-tsosialy, 30,3% ho an’ny seha-pamokarana, ary ny 21,07% eo amin’ny sehatriny fotodrafitrasa. Vinavinaina ho 05,5% ny fitombon’ny harin-karena, ary 06,2% ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’ny taona 2020.

Io Taha-pisondrotan’ny vidim-piainana io dia heverina fa hihena miandàlana hatramin’ny taona 2023, ary ny fampiasam-bola kosa, na ho an’ny fanjakana na ny tsy miankina, dia hatevenina mba hanosehana ny Fandrosoana. Ny fanatsaràna ny taham-pampidiran-ketra, izay vinavinaina ho 11,5%, no anisan’ny fomba ho entina manatratra ny tanjona kendrena.

Aorina’io fandaniana ny Làlana mifehy ny Tetibola 2020 teny amin’ny Antemierampirenena io dia ireo Loholona eny amin’ny Antenimieran-doholona ao Anosikely kosa indray no handinika azy./.

Antenimierampirenena Tsimbazaza

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Jacob Andriambelo. Fisaorana avy any amin'ny fianakaviany

 

Mialy R. Rajoelina. L'Amour de la vie d'Andry, Président de la République

 

Ranomasina Indianina. Manohana an’i Madagasikara i Frantsa noho ny fahavoazana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro

 

Océan Indien. La France soutient Madagascar suite aux intempéries

 

Jacob Andriambelo, journaliste doyen. Ny Feraparan'ny nahalasany

 

Ambatovy : soutien à 6 coopératives villageoises dans la filière Grenadelle

 

Franck Raharison is gone but the show must go on 1! by James Ramarosaona

 

Startimes Madagascar difffusera l'EURO 2020 en direct

 

Mialy Rajoelina. Ses vœux pour le Nouvel an 2020

...