]
Les quotidiens du 21 Jan 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ratozamanana Andriankoto Harinjaka. Sg vaovaon’ny MPTDN

Ratozamanana Andriankoto Harinjaka. Sg vaovaon’ny MPTDN

Antananarivo, 13 Desambra 2018. Maro ny fanapahan-kevitra noraisina nandritrin’ny filan-kevitry ny minisitra io andro io ka anisan’izany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony.

Tao anatin’izany dia tao ny nanendrena ny Sekretera jeneraly vaovaon’ny ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-kajy mirindra (Ministère des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique - MPTDN) Andriamatoa Ratozamanana Andriankoto Harinjaka, izay efa Talen’ny Kabinetran’io minisitera io ihany teo aloha. Marihina fa manampahaizana manokana eo amin’ity sehatra ity ny tenany ary anisan’ny nahafantaran’ny olona rehetra azy tamin’izany fotoana ny nampiromboroboany ny « Habaka » izay izy no Filoha mpitantana nanomboka ny taona 2011 ka hatramin’ny 2016.

Ankoatra izay, efa nisahana andraikitra ambony maro teto amin’ny tany sy ny firenena Andriamatoa Ratozamanana Andriankoto Harinjaka, nialoha izao nanendrena azy ho Sekretera jeneraly izao. Anisan’izany ny naha Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina tao amin’ny minisiteran’ny Indostria ny taona 2017-2018. Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ihany koa izy satria nantsoina manokana ny tenany nandamina ny disadisa sy ny fifanoherana nisy teo amin’ny ministra vaovao, Maharante Jean de Dieu, sy ny mpiasan’ny minisiteran’ny Paositra Malagasy tamin’ny fiandohan’ny Governemanta tarihin’ny Praminisitra Ntsay Christian.

Etsy ankilan’izany rehetra izany, voafidin’ny « Institut Choiseul » (Frantsa) ho anisan’ireo tanora Malagasy Afrikana latsaky ny 40 taona mendrika sy hafaka hitondra fandrosoana ho an’i Afrika ny tenany tamin’ity taona 2018 ity.


Nambaran’Andriamatoa Ratozamanana Andriankoto Harinjaka, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany fa : « ahafahako mametraka bebe kokoa ny dian-tanako mikasika ny haitao ara-kajy mirindra manoloana ny politikan’ny minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ankehitriny (« Numérique pour tous »), ity andraikitra vaovao nomena ahy ity. Tokony hapetraka tsara, hoy izy, ao an-tsaintsika fa andry iankinan’ny toe-karena Malagasy izy io amin’ny ho avy ary hamorona asa maro eto amin-tsika indrindra fa hoan’ny tanora Malagasy ».

Dia arahabaina izany Andriamatoa Ratozamanana Andriankoto Harinjaka izay tena tanora dia tanora tokoa kanefa efa nisahana ary manohy misahana andraikitra tena makadiry.

www.madagate.org

Mis à jour ( Dimanche, 23 Décembre 2018 14:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Mobile Hilfe Madagaskar. Discours de SEM Harald Gehrig à Ambovo

 

Cardinal Armand Gaëtan Razafindratandra : disparu il y a 9 ans déjà

...

 

Raiamandreny Mijoro. Miarahaba ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina

 

Madagascar. Les U.S.A. félicitent Andry Rajoelina et le peuple malagasy

 

Madagascar. La Commission nationale indépendante des Droits de l'homme (CNIDH) lance un appel à l'apaisement

 

Andry Rajoelina. Soirée d'après 2è tour à l'Arena Ivandry

 

Max Randriantefy. Hommage à Olga son épouse récemment défunte

 

Ratozamanana Andriankoto Harinjaka. Sg vaovaon’ny MPTDN

 

Madagasikra. Fidio ny n°13 amin'ny 19 Desambra 2018 satria...