]
Les quotidiens du 21 Jan 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo. Amin’ny 2021 no ho vita ny làlana Ambohimahitsy-Andranobevava

Antananarivo. Amin’ny 2021 no ho vita ny làlana Ambohimahitsy-Andranobevava

Mba hanamaivanana ny fitohanana eto an-drenivohitra, dia efa nanomboka tamin’ny 6 jolay 2018 ny asa fanamboarana ny làlana ato hoe « Rocade Est », mampitohy an’Ambohimahitsy hatreny an-dRanobevava. Ho fanaraha-maso ny fizotran’ny asa dia nidina teny Ambohimahitsy ny Alarobia 16 Janoary 2019 teo ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany, Ramatoa Christine Razanamahasoa.

Navoitrany tamin’izany fa mizotra araka ny efa voafaritra ao anatin’ny bokin’andraikitra ny asa fanamboarana ny làlana izay mirefy 3,4 km ka mampitohy an’Ambohimahitsy an’Andranobevava. Torak’izany koa ny « By-pass » 3,8 km miala eo Ambohimahitsy, ary ny 1 km miala eo Nanisana hampitohy an’Ankadindramamy. Mahatratra 72 ny isan’ny asa ho atao, ary tsy maintsy nisy ny fandrodanàna ireo trano izay voakasika ny tetikasa.

Araka ny fanazavana hatrany dia tsy nananotsarotra ny fifampiraharahana tamin’ireo noravana trano, izay nahatsapa rahateo ny mahazava-dehibe ny asa atao. Miisa 1059 ireo trano ka ny 891 no efa nanaovana fifampiraharahana. Ny 118 kosa dia an-dàlana ankehitriny. Mahatratra 23.080.803 tapitrisa vola Euro ny tetim-bola fanamboarana io "Rocade Est" io, ka ny Vondrona Eropeana, ny Afd (« Agence française de développement »), ny BEI (« Banque européenne d’investissement ») ary ny Fanjakana Malagasy no mamatsy izany vola izany.

Fa raha mikasika ny asa rehetra dia mahatratra 62,8 tapitrisa vola Euro ny totalin'ny tetim-bola. Raha ny fandaharam-potoana dia ho vita amin’ny volana Janoary 2021 ny asa rehetra.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Jeudi, 17 Janvier 2019 05:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Mobile Hilfe Madagaskar. Discours de SEM Harald Gehrig à Ambovo

 

Cardinal Armand Gaëtan Razafindratandra : disparu il y a 9 ans déjà

...

 

Raiamandreny Mijoro. Miarahaba ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina

 

Madagascar. Les U.S.A. félicitent Andry Rajoelina et le peuple malagasy

 

Madagascar. La Commission nationale indépendante des Droits de l'homme (CNIDH) lance un appel à l'apaisement

 

Andry Rajoelina. Soirée d'après 2è tour à l'Arena Ivandry

 

Max Randriantefy. Hommage à Olga son épouse récemment défunte

 

Ratozamanana Andriankoto Harinjaka. Sg vaovaon’ny MPTDN

 

Madagasikra. Fidio ny n°13 amin'ny 19 Desambra 2018 satria...