]
Les quotidiens du 24 Feb 2020
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Nodimandry i Bariliva (Tarika Kolibera, Erick Manana, Feo Gasy)

Nodimandry i Bariliva (Tarika Kolibera, Erick Manana, Feo Gasy)

BARIVILA RASOAVATSARA

++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++

Nodimandry ny Alahady faha-11 Novambra 2012 , tamin'ny 10 ora maraina, teo amin'ny faha-50 taonany i Bariliva, izay mpitendry valiha ao amin'ny tarika Kolibera, Erick Manana ary Feo Gasy.

Araka ny vaovao azo avy tamin'ni Bebey (Lôlô sy ny tariny), vokatry ny aretin'ny sarakaty no nitarika ny fahafatesan'i Barivila. Efa nitsabo tena tany ivelany izy nialohan'ny nodiany taty Madagasikara. Ny zoma teo no nampidirina tao amin'ny « Clinique des Soeurs » ao Ankadifotsy.

Rasoavatsarà Bariliva no tena anarany. Mpianatr'i Jean Bernardson izy, izay namolavola azy teo amin'ny mozika klasika amina piano. Fa ny hamonium sy ny orga no tena nankafiziny. Efa nitendry valiha izy fony mbola mpianatra tany Bordeaux, ary tany no nifanenany tamin-dry Erick Manana sy ireo zanak'i MR Razafy. Rehefa niverina taty Madagasikara, niara-dàlana tamin-dry Kolibera sy i Nini zanany izy, ary niara-nanangana ny tarika TARATRA. Io tarika io no lasa tarika KOLIBERA taty aoriana.

Nandalo tao amin'ny Vaomaintilany i Bariliva, fomba fitendry mozika noforonin'i Prosper Ralaiarimanana. Nanomboka teo ny fitiavany ny hira sy feo vakodrazana malagasy eto ampovoan-tany.

Ankoatra ny hiran'ny tarika, mpamelona ny sanganasan'ny tarika Ny Antsaly koa izy ireo, ary tena voafehin'i Kolibera ny fitendrena valiha toa ny nataon-dry Sylvestre Randafison. Antsoin'i Erick Manana hatrany izy ireo hanaraka azy rehefa manao fampisehoana aty Madagasikara izy, ary ny farany aza, lasa mpikambana feo tao amin'ny tarika Feo Gasy koa i Bariliva. Mbola ao anatin'ny « Compagnie Erick Manana & Jenny » ihany koa izy, ary anisan'ireo tokony handray anjara amin'ilay fampisehoana « Erick Manana à l'Olympia », faharoa, izay hatao ny 13 Janoary 2013.

Izahay eto amin'ny madagate.com dia maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakavian'i Barivila. Ny vatany no tsy hitan-tsika intsony fa ny mozikany sy ny sangan'asany dia mitoetra mandrakizay.

Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Jeudi, 22 Novembre 2012 18:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Jacob Andriambelo. Fisaorana avy any amin'ny fianakaviany

 

Mialy R. Rajoelina. L'Amour de la vie d'Andry, Président de la République

 

Ranomasina Indianina. Manohana an’i Madagasikara i Frantsa noho ny fahavoazana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro

 

Océan Indien. La France soutient Madagascar suite aux intempéries

 

Jacob Andriambelo, journaliste doyen. Ny Feraparan'ny nahalasany

 

Ambatovy : soutien à 6 coopératives villageoises dans la filière Grenadelle

 

Franck Raharison is gone but the show must go on 1! by James Ramarosaona

 

Startimes Madagascar difffusera l'EURO 2020 en direct

 

Mialy Rajoelina. Ses vœux pour le Nouvel an 2020

...