]
Les quotidiens du 13 Oct 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Andry sy Mialy Rajoelina, gare Soarano. "Blessings are powerful" 3

Andry sy Mialy Rajoelina, gare Soarano. "Blessings are powerful" 3

Maro tsy ho voatanisako eto ireo olona milaza fa mpihino kanefa dia manadino an’Andriamanitra rehefa difotry ny ambo-po diso tafahoatra, ka mihevitra fa mahavita tena tanteraka ka ny teny aloaky ny vavany fotsiny ihany dia hamaha ireo everiny fa olana eto amin’ity tany fandalovana ity. Kanefa rehefa zoina tsara dia ireo olona ireo ihany no mamboly izany olana izany.

Ny Kristianina tena Kristianina kosa (ireo mino Andriamanitra iray ary mino ny fitsaganan’ny tena amin’ny maty : Jiosy, katolika, Protestanta, Advantista, Loterana, Anglikana sy ireo fiangonana « zandriny » maro mino izany), dia ny fatahorana an’Andriamanitra no mibahana voalohany amin’ny zava-drehetra ataony amin’ny fiainany. Ary ny fampisehoany voalohany izany fatahorana an’Andriamanitra izany dia ny fangatahana fitahiana, tsodrano sy fisaoarana amin’ilay Avo indrindra.

FITAHIANA, TSODRANO, FISAORANA

Fangatahana amin’Andriamanitra mba hahazoana sitraka aminy; firarian-tsoa; fankasitrahana; fanomezam-boninahitra; fiderana; fiarovana amin’ny ratsy; fanaovan-javatra mahasambatra ny hafa. Miverina in-400 eo ho eo ny teny hebreo maromaro nadika hoe « mitahy, mitso-drano, misaotra » na « fitahiana, tsodrano, fisaorana », ao amin’ny Baiboly.

Misaotra an’Andriamanitra. Misaotra an’ Andriamanitra ny olona rehefa midera sy mankasitraka azy, miaiky fa avy Aminy ny fitahiana rehetra azony, miresaka zavatra tsara momba Azy foana, mivavaka Aminy, ary manompo Azy (Salamo 26 : 12). Misaotra an’Andriamanitra koa izay mitory ny vaovao tsara satria mitondra dera ho an’ny Anarany sy ny Fikasany (Matio 24 : 14 ; Hebreo 13 : 15). Fiteny re matetika koa ny hoe « Tso-drano zava-mahery » indrindra eo amin’ny raiamandreny sy ny zanaka (rehefa fanambadiana ohatra). « Blessings are powerful » no dikany tamin’ny teny anglisy.

Ny Alahady 7 Oktobra 2018 dia nisy ny Fandaharana fangataham-pitahiana niombonam-pinoana nanokafana ny fampielezan-kevitry ny Kandida laharaha faha-13, Andry Rajoelina. Sary andiany faha-3

Jeannot Ramambazafy – Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Jeudi, 11 Octobre 2018 04:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Charles Aznavour. Hommage de Jeannot Ramambazafy sur madagate.org

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Soamahamanina: de l'enfer HVM, à l'espoir IEM!

 

Rakotomena André Guy alias « Dé » d’Ampandrana est décédé

 

Madagascar Fanaovan-gazety. Nodimandry i Haja Christophe (Radio Tana)

 

Andry Rajoelina. Sortie d’un ouvrage autobiographique aux éditions Michel Lafon

 

Monja Roindefo, ancien PM. Réactions face à sa convocation au Pôle anti-corruption

 

Antananarivo. Infinix, le smartphone conçu pour "aller au-delà de l'intelligence"

 

Andry Rajoelina tany Arivonimamo sy Manalalondo

 

Antoko Fanorolahy. “Asa avy hatrany fa tsy kabary ny fanorenena ifotony”