]
Les quotidiens du 29 Sep 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Ampefiloha. Nahomby ny Sekolin’ny zanak’alika «Coton de Tuléar»

Ampefiloha. Nahomby ny Sekolin’ny zanak’alika «Coton de Tuléar»

Antananarivo, Sabotsy 22 Septambra 2018. Tontosa soa aman-tsara koa ny « Ecole des chiots » (Sekolin’ny zanak’alika) natao teo amin’ny zaridainan’ny Lion’s Club eo Ampefiloha. Ny fikambanana « Coton de Tuléar Malagasy Club » (CTMC) sy ny « Malagasy Coton Preservation Club of USA » (MCPC) no nikarakara io hetsika io. Tsy adino ny orinasa AGRIVET izay manohana hatrany ny hetsika tahaka itony. Alika « Coton » miisa 20 eo ho eo no nentin’ireo tompony io sabotsy io niaraka tamin’ny vady aman-janany. Sady naka rivotra no nahazo fampianarana momba ny fitaizana ireo atao hoe « meilleurs amis de l’homme » (sakaizan’ny zanak’olombelona tsara indrindra) ireo.

Marihina fa ny Filoha sy ny Filoha lefitry ny MCPC mihitsy no tonga namelona io fampianarana ny fikarakarana ny alika « Coton de Tuléar » io. Dia ramatoa isany Debbie Newman (lava volo) sy Becky Olsen (fohy volo). Nisy ny mpandika teny satria taminy teny anglisy ireo torohevitra.

Tsiahivina fa nisy io Sekolin’ny zanak’alika io tany Antsirabe (20 Septambra) sy Tuléar (16 Septambra) mialohan’ity teto Antananarivo ity. Taorian’ny fampianarana sy fandraisana ny ADN ireo « Coton » voafantina, satria tsy metisy dia nisy ankitsapaka ka fitaovana momban’ny fikarakarana alika no loka, toa ny fiogo, vilia, borosom-bolo, fandiovana volon’alika, «écuelle pliable », sns. Aleho ny sary no hiteny mamdrapahavita ny vidéo izay hahaliana anao tokoa ry mpamaky. Eny na dia tsy mbola manana « Coton de Tuléar » aza ianao.

Jeannot Ramambazafy

***********************

Mis à jour ( Lundi, 24 Septembre 2018 05:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Soamahamanina: de l'enfer HVM, à l'espoir IEM!

 

Rakotomena André Guy alias « Dé » d’Ampandrana est décédé

 

Madagascar Fanaovan-gazety. Nodimandry i Haja Christophe (Radio Tana)

 

Andry Rajoelina. Sortie d’un ouvrage autobiographique aux éditions Michel Lafon

 

Monja Roindefo, ancien PM. Réactions face à sa convocation au Pôle anti-corruption

 

Antananarivo. Infinix, le smartphone conçu pour "aller au-delà de l'intelligence"

 

Andry Rajoelina tany Arivonimamo sy Manalalondo

 

Antoko Fanorolahy. “Asa avy hatrany fa tsy kabary ny fanorenena ifotony”

 

Bordeaux. Décès de Mme Huguette Vérin, Consul Honoraire de Madagascar