]
Les quotidiens du 24 Aug 2017
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Kongresy amerikana. 6 ny mpikambana tonga, nizaha ary hitsara ny zava-misy marina

Madagasikara. Kongresy amerikana. 6 ny mpikambana tonga, nizaha ary hitsara ny zava-misy marina

Mbola tsy nisy mpitondra mpandainga sy tsy miraharaha vahoaka toa ireto Hvm ireto mihitsy teto Madagasikara, hatramin’izay niainako. Ary efa ela nihetezana aho fa tsy zaza vao omaly akory. Manana ny tombontsoany eto tokoa aloha ny Etazonia, toa ireo firenena matanjaka rehetra aty Afrika. Kanefa, tsy misangy mihitsy ry zareo rehefa resaka fitondra tsara tantana (« Bonne gouvernance »), fanajana ny lalàna (« Etat de droit ») sy ny zon’olombelona (« respect des droits de l’Homme »), ny ady amin’ny kolikoly (« Lutte contre la corruption »), ary indrindra ny fahafahana maneho hevitra (« Liberté d’opinion ») ka tafiditra amin’izany ny fahafahan’ny mpanao gazety (« Liberté de presse ») sy ny fahafahana miteny an-kalalahana (« Liberté d’expression »). Tsy adino ny fanajàna ny atao hoe Demokrasia.


AIza ho aiza ingahy Hery Rajaonarimampianina amin’ireo rehetra ireo? Ny sasany moa nanaovany propagandy nefa dia samy mahalala ny zava-misy daholo isika vahoaka malagasy monina eto an-tanindrazana. Ny 25 Janoary 2018 dia tapitra ny fe-potoana iasan’i Hery vaovao. Izany hoe, amin’io daty io tokony filoha voafidy indray no ho eo amin’ny fitondrana.


Tsy kisendrasendra ny nahatongavan’ireto mpikambana enina ao amin’ny Kongresy amerikana ireto. Taminy taona 2012 no nisy koa. Izany hoe herintaona alohan’ny fifidiana filoham-pirenena foana. Ao raha… Ireto avy ary izy ireo fa miandry ny tatitra ho ataony rehefa tafaverina any Etazonia. Satria raha ny mpitondra no henoina dia manga foana ny lanitra e ! Mavandy avao !


Jeannot Ramambazafy – 18 Aogositra 2017

Mis à jour ( Vendredi, 18 Août 2017 15:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

USAID. Mark Green, nouvel Administrateur depuis le 3 août 2017

 

Erick Manana. 40 ans de scène célébrés à Madagascar

 

Inde An 70. L'ambassade à Madagascar organise des évènements jusqu'en août 2018

 

Ankazobe RN4. Ao anatin’ireto vidéos ireto ny antony nahatonga ny loza mahatsiravina

 

Antananarivo. Free Fm et Free News de Lalatiana Rakotondrazafy enfin indépendamment en ligne

 

Madagascar. L’Etat de droit du Travail… indécent de la IVème république

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter

 

Antananarivo, 14 Jolay 2017. Kabarin’ny Ambasadaoro frantsay Véronique Vouland-Aneini

 

Antananarivo. Le journaliste Andry Ratovo décède dans son coma