]
Les quotidiens du 18 Dec 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagascar REGAP. Nahazo marim-pamantarana ara-pomba ofisialy

Madagascar REGAP. Nahazo marim-pamantarana ara-pomba ofisialy

REGAP : ANDRY SY TOKY

Notanterahina ny Alatsinainy 16 desambra 2019 ny fanolorana ny marim-pamantarana («Insigne de Corps») ara-pomba ofisialy ny Vondrona mpiaro ny Filoha.

Nanolotra izany teny Iavoloha, toby misy io Vondrona io, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Rakotonirina Théophile. Nisolo-tena ny Filoham-pirenena kosa ny Sekretera Jeneraly lefitra ny Fiadidian’ny Repoblika.

Nandritra ny lahateny no nitondran’ny Lehiben’ity Vondrona ity, ny Kolonely Rabenjamina Thierry, ny Tantaran’ny vondrona sy ny niandohany. Ny faran’ny taona 1990 no nitsangana ny Rezimanta mpiaro ny Filoha, ka izao 30 taona latsaka kely aty aoriana izao vao nisitraka izany marim-pamatarana izany io Vondrona io. Vondrona izay ahitana miaramila sy polisy ary zandary.


Tamin’ny fitsanganany voalohany dia nantsoina hoe COSEP («Compagnie de Sécurité Présidentielle») ity Vondrona ity, izay teny Ambohitsorohitra no nisy Foibeny, talohan'ny nahavitana soa aman-tsara ny trano itobian’ireo Vondrona ireo eny Iavoloha. Dia niova ho RESEP («Régiment de Sécurité Présidentielle») izay lasa REGAP («Régiment de Garde Présidentielle») amin’izao fotoana izao.

Ny taona 2000 dia nitsanganan’ny indray ny BCS («Bataillon de Commandement et de Sécurité») misahana ny fiarovana ny Andrim-panjakana rehetra. Ny an’ny Praiminisitra, ohatra, dia ny BSP («Bataillon de Sécurité de la Primature») no miaro azy.

Ny taona 2005 no noforonina ny logo sy ny hira fanevan’ny Vondrona mpiaro ny Filoha. Izany Ravelona Edgard izany, fony izy Kapiteny, no nipoiran’ny famoronana azy roa ireo ary noezahiny natsaraina hatrany ilay hira faneva.

Nandrita izay valo volana lasa izay (May-Desambra) dia maro no efa vita ary mbola maro ny adidy miandry. Nisy ihany koa ny nampalahelo izay nisian’ny famaizana ny Cercle Mess ao Iavoloha tamin’ny 14 Novambra 2019. Anisan’ny hetahetan’io Vondrona io ny hanarenana izany Cercle Mess izany.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mardi, 17 Décembre 2019 11:01 )  

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Tsimbazaza. Lany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020

 

CNaPS. Mamy Rakotondrainibe nouveau Directeur général rassembleur

 

Naina Andriantsitohaina. Carnaval auto-moto samedi 23.11.2019

 

WMG Madagascar. Bazar de Noël 2019 le 23 novembre au Carlton

 

Antsiranana. ENELEC: 50MW d’énergie solaire d’ici le 1er semestre 2020

 

Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Hafatra 15.11.2019

 

MONSIEUR ACKRAM MOHAJY. DECEDE LE 08 NOVEMBRE 2019

 

Dadah Rabel. Fisaorana sy ny vidéos tamin'ny 06 sy 07 Novambra 2019

 

DADAH tarika Mahaleo. Nodimandry ny 03 Novambra 2019