]
Les quotidiens du 25 Jun 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Ambohidratrimo. Feno 10 taona ny GATE UNIVERSITY

Ambohidratrimo. Feno 10 taona ny GATE UNIVERSITY

Notanterahina tamin'ny zoma 14 Jona 2019 ny ivon’ny fankalazana ny faha 10 taona nijoroan’ny sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana GATE UNIVERSITY Ambohidratrimo. Namoaka ny andiany faha enina misalotra ny anarana « RAITRA » ny sekoly izay ahitana mpianatra 137 mianadahy nandray ny marim-pahaizana : DTS, Licence ary Master. Isan’ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana mamaly ny filan’ny Firenena amin’ny alalan’ireo sampam-piofanana omeny ny GATE University. Isan’izany ny Agronomie (misahana ny momba ny fambolena sy fiompiana) sy ny Fizahantany. Ara-dalàna ary mahazo ny fankatoavan’ny fanjakana ny marim-pahaizana omen’ny sekoly ary efa maro amin’ireo mpianatra nandranto fianarana tao no mitazona andraikitra ambony eny anivon’ny asam-panjakana ankehitriny.


Nofidian’ireto andiany RAITRA ireto ho ray mpiahy azy Andriamatoa Eric Rajaonary, mpitantana ny orinasa Guanomad. Nanome toky ny hanohana hatrany azy 137 mianadahy ity Ray Mpiahy azy ireo ity ary vonona hatrany hizara izay traikefa hananany amin’ny fidiran’ireto tanora ireto amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana.


Tafiditra indrindra ao anatin’izany fankalazana faha 10 taona izany ihany koa, dia najoro fikambanana « FRIENDS OF GATE » hivondronan’ireo sakaizan’ny GATE University rehetra ahitana ireo mpianatra tranainy sy ireo izay mbola eo andalam-pianarana ary ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sekoly rehetra.

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Chine. Participation du ministre Naina Andriantsitohaina au FCSA

...

 

Madagascar. Le Colonel Fidy nommé Directeur général de l’OTME

 

Contre-Amiral Ratsimandresy Roland. Niamboho ny 30 Aprily 2019

 

Antsirabe. Le rallye? Une passion familiale chez les Solofonirina

 

CAF. Ahmad accusé de corruption et de harcèlement sexuel.

 

Mialy Rajoelina. Voatendry ho Masoivohon’ny FNUAP eto Madagasikara

 

Wednesday Morning Group Madagascar. 3è Salon du Chocolat le 14 avril 2019

GRAND FORMAT ICI...

 

Ambohitrimanjaka, 11.04.2019. L’annexe de l’Alliance française réouverte

...

 

Antananarivo. Les 100 ans du BIT au gymnase d’Ankorondrano, le 11 avril 2019