]
Les quotidiens du 22 Aug 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Fitaterana an-dranomasina : mizotra any amin’ny fanatsarana ny lalàna

Madagasikara. Fitaterana an-dranomasina : mizotra any amin’ny fanatsarana ny lalàna

Ireo nandray anjara tamin'ilay atrikasa tao amin'ny hotely Sakamanga Antsahavola

Ny taona 2000 no nanaovana farany ny lalàna momba fifehezana ny fitaterana an-dranomasina teto amintsika. Ankehitriny anefa dia maro ireo andinin-dalàna izay tsy mifanaraka intsony amin'ny toe-andro. Noho izany indrindra no nahatonga ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toe-andro nangataka ny tokony hanatsarana azy ity .

Nisy araka izany ny atrikasa izay natao nandritra ny dimy andro -ny Alatsinainy 07 ka hatramin'ny 11 janoary 2019-, tao amin’ny hotely Sakamanga Antsahavola. Niara-misalahy amin’ity atrikasa ity ny minisitera mpiahy sy ny antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF); ny vondrom-pibaikoina ny tafika andranomasina (COFONA); ny Foibe Taosaritanin’i Madagasikara (FTM).

Nanampy amin’ny fanatsarana izany lalàna izany ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny Fitaterana an-dranomasina (OMI). Ireo mpahay lalàna avy amin’ny minisitera voakasika toy ny ministeran’ny Tontolo iainana ny Famantarana ny Toe-andro. Nialoha ny atrikasa dia efa nisy fitsiriana nataon’ny IMSAS ny taona 2017, izay sampana eo anivon’ny firenena mpikambana ao anatin’ny OMI.

Ny tanjona tamin’ity atrikasa ity dia ny hafahan’ireo mpandray anjara rehetra mamoaka rijan-tenin-dalàna mifanaraka amin’ny tontolon’ny fitaterana andranomasina sy ireo sehatra rehetra izay miasa ao anatin’izany.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Lundi, 14 Janvier 2019 06:01 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Madagascar. Clôture du Projet Procom de l'UE

 

Mahamasina. “NDAO eLALAO”, Premiers jeux corporatifs by eTech

 

Madagascar-Chine. Une Journée culturelle 2019 avec l'Université d'Antananarivo

 

Jaona Elite. Nodimandry tampoka ny 7 Jolay 2019

 

Madagascar Univers Canin. FOXY, Doberman au pedigree impressionnant

 

Michaël Pelletier, Masoivoho Amerikana. Kabariny tao amin'ny "Villa Philadelphia"

...

 

Chine. Participation du ministre Naina Andriantsitohaina au FCSA

...

 

Madagascar. Le Colonel Fidy nommé Directeur général de l’OTME

 

Contre-Amiral Ratsimandresy Roland. Niamboho ny 30 Aprily 2019