]
Les quotidiens du 16 Jan 2020
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Facebook sy ny fatra mpanompa miafina. Nametraka fitoriana i Jeannot Ramambazafy

Facebook sy ny fatra mpanompa miafina. Nametraka fitoriana i Jeannot Ramambazafy

Ry mpanompa sy mpandrahonana miafina isany : rehefa mitady dia hahita f’aza maika

Nisy moa sahy nilaza fa tsy misy dikany izany IP izany. Ny hafa indray sahy milaza fa tany tsy tan-dalàna i Madagasikara, kanefa « magistrat » izy. Ka izao ry zareo : androany faha-17 Septambra 2018 dia napetrako ao amin’ny « parquet du Tribunal de Première instance » (TPI) eto Antananarivo ny fitarainana na « plainte ». Ny iray mikasika an’ilay hoe Hevitra Rabe na koa Lalina fantsy (izany no mba ireharehany). Io aloha no tsapa fa tena nandrahona nivantana. Ny faharoa, na dia mbola manana « immunité » dia i ramatoa candidate… Ny antony ? Eny amin’ny Procureur de la République izy no tokony hanontany.


Ny ho tohin’io fitoriana napetrako io ? Aza maika. Fa ho fantsa-tsika atsy ho atsy raha tany tan-dalàna na tsia ny eto Madagasikara. Marina fa tsy mahafaty ny ompa sy ozona, kanefa rehefa manao izany amiko dia tsy irery aho akory fa ao ny anarana nomen’ny ray aman-dreniko ahy ; ao ny fianakaviako ; ao ny zanakao sy ny zafikeliko ary ao ireo tapaka sy namana mahatsiaro voakasika. Mikasika ilay Ny Aina Andria kosa dia tena fitarainana manokana mihitsy ny mikasika ny rediredidiny. Angaha moa tsy fantatrao ry tovolahy very saina fa tsy manana zandry aho ? Mihevitra fa tsy ho tratra ialahy milaza mipetraka any Toulouse ? Na any Pôle Nord ialahy tsy maintsy ho tratra foana. Ny lalin-tsaina toa ilay nanao « Les Seigneurs de Jeannot » dia avelako satria lalin-tsaina amin’ny tsy antony ka tsy hahatsara ny fiainany mihitsy io « fahaizany » io. Indrisy ho azy.


Raha ny momban-dry zalahy ao aminy 24h Mada sy ny karazany dia tsotra : izaho tsy miafina na tarehy na anarana na toeram-ponenana. Fa aza mihevitra mihitsy ialahy isany fa tsy fantatro. « Mitady fitsaram-bahoaka » aho ? Izay filazan’ialahy isany fa aza mihevitra fa ho hafa-bela amin’ny lainga afafy isan’andro vaky izao. Ho an’ireo mpianatra valo fatra arovanareo mahay manompa ireo dia tsotra : maninona moa no tsy mba misy mitory aho na ny iray aza ? Zony izany ary ampy taona daholo izy rehetra. Ary tokony toriany daholo na Serasera Mada (ao aminy Facebook) sy ny gazety Triatra raha izany.

Farany. Fisaorana no atolotro anareo rehetra mahay manompa sy manozona ary tompon-dakan’ny Tantara valamaty satria vao mainka aho malaza ary maneran-tany mihitsy ! Adinonareo tokoa fa ny mpanenjika dia aoriana ao foana. Ka tohizo fa tsara e ! Dokam-barotra aza andoavam-bola. Ity ny fototr’izany dokam-barotra izany, ataoko amin’ny teny frantsay ho tadidin’ny francophones maneran’izao tontolo izao : « Parlez de moi, en bien ou en mal mais parlez de moi ! ». Tena kapoakanareo ilay « en mal » fa mahaiza kosa mahatanty ny vokatry ny natao.

Raha ny ompa sy ny ozona no mahafaty efa lasan-korazana aho tamin’ny taona 2009-2010. Anareo no mitady ny antony nahatonga ny fanaratsiana nijanona tampoka tamin’izany…

Jeannot Ramambazafy – 17 Septambra 2018

Mis à jour ( Lundi, 17 Septembre 2018 18:10 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Startimes Madagascar difffusera l'EURO 2020 en direct

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Mialy Rajoelina. Ses vœux pour le Nouvel an 2020

...

 

Désiré Rakotoarijaona - Dadatoa Dezy. Nodimandry ny 02.01.2020

 

Madagascar 2020. Voeux de l'Ambassadeur Christophe Bouchard aux partenaires malagasy

 

Lions Club “Santatra New Century”. Nizara sakafo sy kilalao teny Ambohimanambola sy Ivato

 

Tsimbazaza. Lany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020

 

CNaPS. Mamy Rakotondrainibe nouveau Directeur général rassembleur

 

Naina Andriantsitohaina. Carnaval auto-moto samedi 23.11.2019

 

WMG Madagascar. Bazar de Noël 2019 le 23 novembre au Carlton