]
Les quotidiens du 28 Jan 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagascar. Lisi-pifidianana 2018-2019: azo jerena ao aminy Internet ny anaranao

Madagascar. Lisi-pifidianana 2018-2019: azo jerena ao aminy Internet ny anaranao

Tamin'ny taona 1959 no nahazo ny zo feno hifidy ny vehivavy malagasy

Aleho torahana voninkazo mihitsy ny CENI («Commission électorale nationale indépendante» na Komisiona nasionaly mahaleotena momban’ny fifidianana) satria efa manao ezaka lehibe hampidirana ireo mizaka zom-pirenena malagasy, feno taona (18 taona miakatra) ka manan-jo handray anjara amin’ireo fifidiana ho avy amin’ny taona 2018 sy 2019. Raha efa tamin’ny volana oktobra 2017 no nametrahana ny lisi-pifidianana any anivon'ny fokontany tsirairay avy, dia efa misy izao ny fomba iray afahanao mijery ny momba anao anatin’izany lisitra izany, amin'ny alalàn'ny amin’ny tambazotra Internet. Ity ny rohy afahanao miditra ao: https://liste.ceni-madagascar.mg/elect/rech

TSINDRIO EO HO LEHIBE KOKOA

Io amin’ny sary ambony io no tokony hitanao. Fenoinao ny toerana ho an’ny anaranao, ny fanampiananaranao (tsy voatery atao) ary indrindra indrindra ny laharan’ny karapanondrom-pirenenao. Raha toa ka tsy mivoaka ny mombamombanao dia mankanesa aingana any amin’ny biraon’ny fokontany misy anao.

Ny fe-potoana farany moa dia ny 31 Janoary 2018 fa mety hialava izy io satria mbola maro tokoa ireo Malagasy tokony hifidy mbola tsy voasoratra.

Ny anay eto aminy madagate.org moa dia tsotra: aza ariana ny zonao ary efao ny adidinao izay tsy an’olon-dratsy velively. Marina fa mbola tsy voalaza, hatreto aloha, ny daty hanatontosaina ireo fifidianana Filoham-pirenena, Solombavambahoaka, sns... fa mila vonona daholo izay mahatsapa tena fa Malagasy e!

Tsy milaza koa izahay hoe i Rahanona na i Rahanona no tokony ho fidianao, fa MANDEHANA MIJERY SY MANAMARINA NY ANARANAO SY NY MOMBA ANAO AO ANATY LISI-PIFIDIANANA ALOHA AFAHANAO MIFIDY! Izay ihany ny maha-Malagasy feno anao.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mardi, 23 Janvier 2018 17:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Andry Rajoelina: «Adidy ny mitondra sy manolotra vahaolana ho an’i Madagasikara»

 

Hery Rajaonarimampianina. 2018 à 2030 : forcing illusoire pour deux autres mandats

...

 

Ambaranjana INSPNMAD. Rentrée universitaire 2018

 

Eric Randrasana. Dans quelle galère s’est-il fourré pour oser renier ses convictions?

 

Ratsivalaka Rahantasoa Liliane. Nandao ity tany fandalovana ity ny 8 Janoary 2018

 

Madagascar ZES. Le FMI émet officiellement des doutes sur la loi votée

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter

 

France Gall est décédée ce 7 janvier 2018, elle avait 70 ans

 

Madagascar. Bianco/Unesco: tous contre la corruption