]
Les quotidiens du 02 Apr 2016
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara andramena. Ilay didin'ny tribonaly tsy nahomby tany Singapour

Madagasikara andramena. Ilay didin'ny tribonaly tsy nahomby tany Singapour

Asa iombonana ity fanaovan-gazety ity, fa ambonin’izany dia Tanindrazana iombonana ihany koa i Madagasikara. Mila mahafantatra ny Malagasy rehetra, na ny eto an-toerana, na ny any ivelany (ka mbola mahay mamaky teny malagasy) fa misy tsy milamina mihitsy « ao ambony ao », nanomboka taminy nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Izao mantsy: tamin’ny Filan-kevitry ny minisitra voalohany notarihiny, ny 05 Febroary 2014, dia enjana tokoa izy nilaza fa: « tena hiady mafy amin’ny trafikan’andramena ». Navelom-bolo ny rehetra. Saingy, indrisy... Io ambany io ny nosoratan’ny namana ao amin'ny Midi Madagasikara, amin’ny teny frantsay, ny ampitsony 06 Febroary.


Roa taona mahery katroka ary dia nipoitra ny didim-pitsaranan'ny tribonaly mikasika io andramena io. Ny marina kokoa dia haverina ilay fitsarana any Singapour efa natao ny 25 Oktobra 2015. Nanantena ny sasany fa ho tafavoaka ny ala. Kinanjo. Nadikan’ny gazety namana « Ao Raha » amin’ny teny malagasy ny ampahany be an’ilay didim-pitsarana navoakan’ilay tribonaly tany Singapour, ny volana Oktobra 2014 iny.

Nataonay adidy eto aminy madagate.org ny mamoaka azy eto koa satria, averiko: Tanindrana iombonana ity Madagasikara ity. Tsy resaka « copié-collé » akory izy ity fa fampitàna vaova ("relais d'information") fiarovana ny tany hilevenana. Ary tsy maintsy sarotiny. Ka dia ireo ary ka mahaiza mamaky tsara fa mbola tsy vita amin’io akory ny ady amin’ny fandrobana ataon’ny olona sasany «ao ambony ao » izay sahy milaza fa «fahavalon’ny fandrosoana ny tia tanindrazana sy ny mpanohitra». Odoie e!

Mitohy ary hitohy foana ny tolonay mpanao gazety -tena mpanao gazety an!- rehefa mbola tsy manàja ny lalàna sy izahay vahoaka sy olom-pirenena ianareo izay mandalo fotsiny ihany. Satria izahay koa no mandoa ny karamanareo, aoka hazava ny resaka! Mpiasanay ianareo fa adala izay miseho manompo anareo. Hafa ny fanajàna sy ny fifanajàna ary hafa ny manao olona ho andriamanitra kely. Ny olona tsy mahay manaja ny tenany -na iza na iza- tsy mendrika hajaina.

Jeannot Ramambazafy – 26 février 2016

Mis à jour ( Vendredi, 26 Février 2016 17:54 )  

Madagate Affiche

 

Bloco Malagasy. 24 000 personnes ont vibré au rythme de leurs tambours en Asie

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter

 

Toliara. Le PAM appuie 1.600 jeunes vulnérables

 

Paris. Virginie Bommartin et ses rencontres au Salon du Livre 2016

 

Tuléar. Signature du Code de conduite des acteurs du tourisme dans la Région Atsimo Andrefana

 

Mahajanga. Le groupe Ambondrona pour Pâques 2016 avec Orange Madagascar

 

Madagascar. Lancement de la semaine mondiale de l’argent 2016

 

Siméon Rajaona à titre posthume: « Mon corps soupire après toi »