]
Les quotidiens du 17 Feb 2016
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Anjozorobe. Halatra kariera aminy anaran’i Rajaonarimampianina

Anjozorobe. Halatra kariera aminy anaran’i Rajaonarimampianina

Vao manomboka ny taom-baovao 2016 dia mbola voatonotonona foana ny anaran’ity zanak’i Hery sy Claudia (vady voalohany) ity, izay toa tena mibaiko miaramila toa izy mihitsy no « Chef suprême des armées » Ho avy ny porofo hafa

Kariera iray any amin’ny kaominina Marotsipoy distrikan’Anjozorobe no isehoan’ny olàna. Kariera iray no tadiavin’ny kolonely miisa telo, mitono-tena ho iraky ny zanaka sy ny zandrin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, halaina an-keriny. Ity kariera ity izay marihina fa hofain’olona iray amin’ny tompon’ny tany izay manana taratasy ara-dalàna, ara-dalàna tahaka izany ihany koa ny fandoavan’io olona mpanofa io ny hofan’ny tany ary tsy mbola tara na indray andro aza.

Nisy fotoana tonga tany an-toerana ireto manamboninahitra telo ireto niresaka tamin’ny mpanofa ary efa nomeny halalana hiady lavaka eo amin’ny manodidina ilay toerana saingy tsy nanaiky izy ireo fa ilay kariera efa an’olona no tadiaviny hidirana an-keriny.

Efa maro ny antsojay nahazo io olona mpanofa kariera io satria isaky ny mamoaka vato ilay kariera dia misy manakana foana. Raha tsiahivina dia nosakanan’ny polisy tetsy Sabotsy Namehana vao haingana ny 4x4 iray mpitondra ny vaton’io olona io. Vato izay misy taratasy ara-dalàna tsara avokoa ny fitaterana azy.

Vao haingana ihany koa dia nisy ny fitoriana voalaza fa napetraky ny tompon’ny tany mitory io olona manofa ny taniny io. Rehefa tonga teny anivon’ny “police des mines” anefa ny raharaha dia nilaza ilay tompon’ny tany fa tsy nasaina novakiany akory io taratasy io fa noterena an-kolaka ho soniaviny, fa nolazain’ireo olona mitonona ho
iraky ny zandrin’ny filoha ireo fa maika ny olona hanaterana azy ka tsy mila mamaky izy fa manasonia fotsiny.

Santionany tamin’ny antsojay efa nahazo ity olona mpanofa kariera ity ireo tranga notanisaina fa ataon’ireo olona milaza ho iraky ny zandriny filoha ireo fa ho hitantsika miandalana ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Loharanom-baovao: Mponina maro ao Anjozorobe leo ny fanampara-pahefana

Mis à jour ( Jeudi, 07 Janvier 2016 10:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter

 

Madagascar cynophilie. ACYM a présenté le logiciel « Ny Alikako »

 

Madagascar OJM. Appel à candidature portant désignation d'un journaliste au sein du HCDDED

 

Madagascar-UE: se regarder en chiens de faïence jusqu'à quand?

 

Madagascar UNICEF. Don de 3 drones au BNGRC

 

Madagascar. Aoka izay ny fomba tsy mahomby fanafenana ny tsy fahaizana!

 

Airtel Trace Music Star: c’est parti pour la deuxième édition