]
Les quotidiens du 25 Jan 2020
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Madagasikara Governemanta : fanambarana voinam-pirenena

Madagasikara Governemanta : fanambarana voinam-pirenena

FAMPITAM-BAOVAO

FANAMBARANA VOINAM-PIRENENA

Mahazoarivo, ny 24 Janoary 2020 - Manoloana ny voina izay nihatra tamin’ny faritra maromaro izay nateraky ny rotsak ’orana be loatra dia nampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny filankevi-pirenena mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza amin’ny maha-filoha mpitantana io rafitra io azy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian teto Mahazoarivo androany.


Fivoriana izay nandinihana sy namakafakana ireo fahavoazana misy ka ahafahana mamaritra paikady entina mitondra vahaolana sy fanampiana avy hatrany ho an’ireo traboina ary hanarenana farany izay haingana ny fahasimbana misy, indrindra amin’ireo Faritra fito izay tena nitondra takaitra. Raha ny tarehimarika voaray nandritra ny fivoriana dia fantatra fa manodidina ny 80.000 ny isan’ireo tra-boina, 21 no namoy ny ainy ary 20 no tsy hita popoka, tarehimarika izay mety hisy fiovana. Misy eo ankilan’izany ny fahatapahan’ny lalana maromaro, toy ny RN4, RN6, RN7, RN1 BIS, RN3A, RN34.


Noho izany dia nanao “fanambarana voinam-pirenena” na “déclaration de sinistre national”, noho ny voina nateraky ny andro ratsy izay nitondra rotsak’orana be loatra ny Praiminisitra, ka ankoatra ny fampiasana ireo fitaovana rehetra eo am-pelatanana dia manao antso avo amin’ny rehetra izy mba hifanome Tanana amin’ny vonjy aina sy ny fanarenana ny fahasimbana.

Entanina ny rehetra ho mailo ny amin’ireo loza maro mety hiseho tahaka ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany, fahatapahan’ny andrin-jiro…; ary hanaraka ireo toromarika izay omen’ireo tompon’andraikitra.

Ny Serasera

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambatovy : soutien à 6 coopératives villageoises dans la filière Grenadelle

 

Franck Raharison is gone but the show must go on 1! by James Ramarosaona

 

Startimes Madagascar difffusera l'EURO 2020 en direct

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Mialy Rajoelina. Ses vœux pour le Nouvel an 2020

...

 

Désiré Rakotoarijaona - Dadatoa Dezy. Nodimandry ny 02.01.2020

 

Madagascar 2020. Voeux de l'Ambassadeur Christophe Bouchard aux partenaires malagasy

 

Lions Club “Santatra New Century”. Nizara sakafo sy kilalao teny Ambohimanambola sy Ivato

 

Tsimbazaza. Lany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020

 

CNaPS. Mamy Rakotondrainibe nouveau Directeur général rassembleur