]
Les quotidiens du 04 Jul 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara. Antenimieran-doholona ho foanana sa tsia?

Madagasikara. Antenimieran-doholona ho foanana sa tsia?

Fa rahoviana ihany ny Malagasy sasany no ho tonga saina fa any amin’ny tsy mivonto foana no lazaina fa manain-taina. Ny sasany moa dia hoe: manindrahindra ny filohan’ny Sénégal ny filoha Andry Rajoelina. Fitsikerana maivana toa ny lohan’izay nanoratra izany. Na koa tena tsy mahafehy ny teny frantsay, teny fifandraisana amin’izao tontolo izao, fa tsy raisina toa teny fanjanahana akory.

Koa izao ny dikan-tenin’ny voalazan’ny filoha Macky Sall eo amin’ny sary (eo ambony) naseho tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina, ny Alahady 28 Aprily 2019. Sokafo tsara ny maso :

NOFOANAKO NY ANTENIMIERAN-DOHOLONA NAFAHAKO NANANGANA ITY TOBY MAMOKATRA HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO MITENTINA 27 LAVITRISA ITY. NY FIRENEKO DIA MILA KOKOA ANGOVO FA TSY SENATORA KARAMAINA TSY ANAO N’INONA N’INONA.

42 miliara ariary mahery isan-taona no lany andoavana ny karaman’ireo senatora malagasy. Amin’ny fo tsy miangatra: mety ve izany sa tsy mety? Samia mandinika tsara ary fa atsy amin’ny nosy Maurice, izay mandroso izay tsy izy, tsy nisy ary tsy misy izany Antenimieran-doholona na Sénat izany.

Teto Madagasikara aza nisy fotoana no tsy nisian’izany koa. Oviana ? Mianàra ny Tantaran’i Madagasikara fa aza zatra toloram-potsiny.


Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 29 Avril 2019 06:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Madagascar Univers Canin. FOXY, Doberman au pedigree impressionnant

 

Michaël Pelletier, Masoivoho Amerikana. Kabariny tao amin'ny "Villa Philadelphia"

...

 

Chine. Participation du ministre Naina Andriantsitohaina au FCSA

...

 

Madagascar. Le Colonel Fidy nommé Directeur général de l’OTME

 

Contre-Amiral Ratsimandresy Roland. Niamboho ny 30 Aprily 2019

 

Antsirabe. Le rallye? Une passion familiale chez les Solofonirina

 

CAF. Ahmad accusé de corruption et de harcèlement sexuel.

 

Mialy Rajoelina. Voatendry ho Masoivohon’ny FNUAP eto Madagasikara

 

Wednesday Morning Group Madagascar. 3è Salon du Chocolat le 14 avril 2019

GRAND FORMAT ICI...