]
Les quotidiens du 12 Apr 2013
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagate video et affiche Madagasikara Skotisma: 10 taona ny Kiady “Fitiavana”

Madagasikara Skotisma: 10 taona ny Kiady “Fitiavana”

Fifaliana lehibe ho an’ny Kiadin’i Madagasikara Fivondronana Fitiavana ny nanitsaka ny faha-10 taona nisiany. Lanonan’ny samy Kiady notronon’ny Ray aman-dreny sy havana aman-tsakaiza no nanamarihana izany ny Alahady, 02 Septambra teo tao amin’ny Espace Lovasoa Ambohijafy Itaosy. Nanome voninahitra ny Fotoana ny Filoha lefitry ny Komity Lehibe, Rikki, sy Ramatoa Vadiny sy ireo mpikamban’ny Komity Lehibe nahitana an’i Vano, Kakafotra, Dragon. Teo ihany koa ny Mpikambana avy ao amin’ny Foibe izay tonga maro. Nahatonga fialantsiny ny Komity Lehibe Filoha Voara, Ankoay ary Fontsy, tsy afa-nanatrika.


Amin’ny maha lanonan-dehibe ity tsingerintaona faha folo dia nisy ny nofonkena mitapihavanana nifampizarana tamin’ireo teny an-toerana, akoatra ny dihy sy kalokalo dia nofaranana tamin’ny fizarana mofomamy ny hafaliany, izay nihavaka satria Koban-dravina voavoatra manokana no natolotra. Ny zazanavelan-dRakoto Frah notarihin’i Sophie izay mpikambana no nandravaka tamin’ny dihy vakodrazana.


Nisongadina ny fotoana nahafahan’ireo avy ao amin’ny Komity Lehibe sy ny Foibe niadihevitra ho fanatsarana ny Fikambanana Kiadin’i Madagasikara, ary dia nahazo latabatra manokana mihitsy izy ireo tamin’izany.

Ny tarika Sophie, anisan'ny nanafana ny lanonana

Raha tsiahivina dia ny 02 septambra 2002 no niforona ny Kiady Fitiavana, tao Mantasoa, fikambanana mifanabe amin’ny fomba skotisma. Ankehitriny dia efa misy amin’ny toerana telo eto Antananarivo ny Kiady Fitiavana, EPP Analakely, EPP 67Ha Atsimo, CEG Ambohibao.

Ho fanohizana ity fankalazana ity ny fanatanterahana Lasin-jobily izay atao ao Mantasoa toerana niforonany, ialohavan’ny fandehanana andro vitsy any amoron-dranomasina.

Sefo Ndrema

NB :

Ny skoto Malagasy dia misy toa ireto manaraka ireto :

Tily eto Madagasikara (protestant movement for boys)

Mpanazava eto Madagasikara (a protestant movement for girls)

Antilin'i Madagasikara (a catholic movement for boys)

Fanilon'i Madagasikara (a catholic movement for girls)

Kiady (non denominational for girls and boys scouts)

Malagasy4all - www.madagate.com

Mis à jour ( Lundi, 03 Septembre 2012 14:22 )  
Bannière

Madagate Web-TV

Madagate Affiche

 

Mahajanga: Journée Internationale des Monuments et Sites 2013

 

Madagascar: le cyclone Imelda menace le Sud-est

 

Madagascar cyclone Haruna: l'UE déclenche son mécanisme de protection civile

 

Madagascar Unicef: visite de la chanteuse Katy Perry

 

Madagascar Bois de rose: le PM Beriziky à Zürich pour «étude»...

 

Razafisambatra Louis de Mon Désir : « Ataovy ny zavatra tenina ary teneno ny zavatra atao »

 

United States Telecommunications Training Institute: Catalogue des cours 2013

 

Madagascar élections 2013: Discours du Sg de la COI lors de la signature de la convention PACEM