]
Les quotidiens du 26 Dec 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Lions Club “Santatra New Century”. Nizara sakafo sy kilalao teny Ambohimanambola sy Ivato

Lions Club “Santatra New Century”. Nizara sakafo sy kilalao teny Ambohimanambola sy Ivato

Fanomezana lanja ny marefo no anisan'ny tanjona ijoroan’ny Lions Club “Santatra New Century”. Eo koa ny fanamaivanana ny fahasahiranana efa misy, ary fampifaliana ireo ankizy sahirana ho toy ny ankizy rehetra.


Manana ny teny filamatra rahateo ny fikambanana izay mifanaraka amin’ny asa soa ataony : “Ensemble pour la renaissance de la générosité”. Ny Sabotsy 21 desambra 2019 dia nisy fety niarahan’ny fikambanana tamin’ireo ankizy sahirana teny Ambohimanambola sy teny Ivato.


Ankizy miisa 220 no nozaraina kilalao sy sakafo. Natao izao hetsika izao dia mba tsy atao fahazarana ny mahita ny mahantra ka lasa tsinotsinoavina izy ireo. Manentana ny mpiara-belona ny Lions Club “Santatra New Century” mba tsy hanadino ireo sahirana, indrindra amin’izao ankatokin’ny Noely izao.


Tsahivina fa ny 30 novambra 2019 dia nikarakara fampisehoana niaraka tamin’ny tarika Jaojoby teny amin’ny espace “Art Gout” ao Ivato ny fikambanana ka nafahana nividy sakafo sy kilalao ho an’ireo ankizy sahirana ireo.

Andry Rakotonirainy

 

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Lions Club “Santatra New Century”. Nizara sakafo sy kilalao teny Ambohimanambola sy Ivato

 

Tsimbazaza. Lany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020

 

CNaPS. Mamy Rakotondrainibe nouveau Directeur général rassembleur

 

Naina Andriantsitohaina. Carnaval auto-moto samedi 23.11.2019

 

WMG Madagascar. Bazar de Noël 2019 le 23 novembre au Carlton

 

Antsiranana. ENELEC: 50MW d’énergie solaire d’ici le 1er semestre 2020

 

Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Hafatra 15.11.2019

 

MONSIEUR ACKRAM MOHAJY. DECEDE LE 08 NOVEMBRE 2019

 

Dadah Rabel. Fisaorana sy ny vidéos tamin'ny 06 sy 07 Novambra 2019