]
Les quotidiens du 18 Jan 2020
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche DADAH tarika Mahaleo. Nodimandry ny 03 Novambra 2019

DADAH tarika Mahaleo. Nodimandry ny 03 Novambra 2019

Tarika Mahaleho. 15 andro katroka taorian’ny nahalasan’i Fafah (ny Alahady 20 oktobra 2019) dia nandao ity tany fandalovan ity i Dadah Andrianabela Rakotobe na i Dadah R’Abel (ny Alahady 03 novambra 2019, tamin’ny 5 ora sy 20 minitra hariva tao amin’ny hopitaly atsimo ao Antsirabe) zandrin'i Nonoh (nodimandry ny 28 Aogositra 2014). Hatreto izany dia i Bekoto, Charle sy Dama sisa no tavela. Ontsa ny fo fa atao ahoana moa? Tsy azo everina na iray segondra ny sitrapon’Andriamanitra fa dia voarakitra ao anatin’ilay hiran’ny tarika « Voankazo voarara » ny hafatra :

(...)
Mifankatiava raha mbola velona

Izany indrindra no maha-olombelona

Mifanapia
Mifanasoava (...)


Ho an’ireo izay tsy mino dia tsotra, tompoko :

Lahatra izany. Ny fahafatesana tsy mampilaza sy manome fotoana fa tonga toa mpangalatra. Mifankatiava foana dieny mbola velona fa tsy misy mahalala izay hiseho rahampitso e!

Raha ny fandaharam-potoana, izay nampitain'ny namana mpanao gazety Jean-Paul Randrianiaina, miasa ao Antsirabe, nialohan'ny nahatongavan'ny ferapara taty amiko, dia toa izao manaraka izao :

Ao an-tranony any Antsirabe ny razana amin'izao fotoana izao.

Ho entina miakatra eto Antananarivo ny Alarobia 06 Novambra 2019 maraina dia ho entina hiaretan-tory ao amin'ny Palais des sports ao Mahamasina.

Hiala ao ny Alakamisy 07 Novambra 2019 hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Cathédrale Analakely, mialohan'ny hitondrana azy any Betafo, izay toerana misy ny fasan-drazany handevenana azy io andro io ihany.



Amin'ny anaran'ny ekipan'ny madagate aho no maneho ny fiaraha-miory amin’ny havan’i Dadah tsy vakivolo sy amin’ireo mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleho sisa tavela ary koa amintsika mpankafy an-tapitrisany maneran-tany.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mardi, 05 Novembre 2019 07:17 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Startimes Madagascar difffusera l'EURO 2020 en direct

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Mialy Rajoelina. Ses vœux pour le Nouvel an 2020

...

 

Désiré Rakotoarijaona - Dadatoa Dezy. Nodimandry ny 02.01.2020

 

Madagascar 2020. Voeux de l'Ambassadeur Christophe Bouchard aux partenaires malagasy

 

Lions Club “Santatra New Century”. Nizara sakafo sy kilalao teny Ambohimanambola sy Ivato

 

Tsimbazaza. Lany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020

 

CNaPS. Mamy Rakotondrainibe nouveau Directeur général rassembleur

 

Naina Andriantsitohaina. Carnaval auto-moto samedi 23.11.2019

 

WMG Madagascar. Bazar de Noël 2019 le 23 novembre au Carlton