]
Les quotidiens du 10 Sep 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo. Ny Papa François sy ny fifamoivoizana

Antananarivo. Ny Papa François sy ny fifamoivoizana

Fandaminana sy fandrindràna ny fifamoivoizana mandritra ireo andro hivahinianan’i Papa Fransoa eto Madagasikara ny 6 hatramin’ny faha 10 septambra 2019 :

Manomboka ny faha 6 septambra dia ho tapaka ireo làlana amin’ireto faritra ireto : Aéroport Ivato sy ny manodidina, Aéroport sy Tsarasaotra hatrany Ivandry sy ny manodidina rehetra.

Faha 7 septambra tapany maraina : ho tapaka ireo làlana eny Ivandry sy ny manodidina rehetra, Ankorondrano, Antanimena, Analakely, Ambohidahy, Anosy, Rond point Filatex Ankadimbahoaka, By pass Iavoloha. Ho tapaka miaraka amin’izay ihany koa : Ankadindratombo, By pass, Mandroseza, Mahazoarivo, Ambanidia, Ampasanimalo, Fort Duchesne, Ampandrianomby, Nanisana, Analamahitsy, Nonciature Ivandry.

Faha 7 septambra tapany hariva : ho tapaka kosa eny amin’ny Nonciature Ivandry sy ny manodidina, Ankorondrano, rond point Jesosy Mamonjy, Antanimena, Analakely, Ambohijatovo, Antaninarenina, Andohalo, Faravohitra, Antaninandro, Ankadifotsy, Antanimena, Ankorondrano, Ivandry, Soamandrakizay sy ny manodidina rehetra.

Faha 8 septambra
: ho tapaka tanteraka ny eny Soamandrakizay, Ivandry sy ny manodidina. Ny hariva dia ho tapaka avokoa ny lalàna eny Ambohimangakely, Mahazo, Ampasapito, Fort Duchesne, Ankorahotra, Tunnel Ambohijatovo, Analakely, Ambohidahy, Anosy, Amparibe, Analakely, Antanimena, Ankorondrano,
Nonciature Ivandry.

Iangaviana raha azo atao dia tsy dia mampiasa fiara firy mandritra ireo andro hahatongavan’i Papa Ray Masina Fransoa eto Madagasikara. Izay no anton’ny nanaovana ny tapak’andron’ny Zoma folakandro ho andro tsy fiasàna mba hampihena ny fifamezivezen’ny fiara ary hampalalaka kokoa ny fifamoivoizana.

Laza tsara ho an’ny Firenena Malagasy ny fahatomombanan’ny fandraisana Vahiny tena manan-kaja sy Ambony toa ny Papa Ray Masina, indrindra koa itarafan’izao tontolo izao ny fahendren’ny Mpitantana ao aminy, ary ny fahaiza-mandray vahiny ananan’ ny Vahoaka Malagasy. Koa entanina isika olom-pirenena rehetra hiray saina sy fo amin’ny fiaraha-mientana sy fifanomezan-tànana ny ho amin’izany.

Visite du Saint Père à Madagascar

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Gaby Rabesahala. Décédé le 08 Septembre 2019

 

Antananarivo. Ny Papa François sy ny fifamoivoizana

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Papa Ray Masina François. Hafatra ho an'ny Vahoaka Malagasy

 

Yokohama TICAD 7. Le PM Shinzo Abe promet des soins médicaux de base accessibles à 3 millions de personnes supplémentaires sur le continent africain

 

Yokohama. Le Président Rajoelina sur le front de la malnutrition

 

Madagascar. Clôture du Projet Procom de l'UE

 

Mahamasina. “NDAO eLALAO”, Premiers jeux corporatifs by eTech

 

Madagascar-Chine. Une Journée culturelle 2019 avec l'Université d'Antananarivo

 

Jaona Elite. Nodimandry tampoka ny 7 Jolay 2019