]
Les quotidiens du 10 Sep 2019
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Papa Ray Masina François. Hafatra ho an'ny Vahoaka Malagasy

Papa Ray Masina François. Hafatra ho an'ny Vahoaka Malagasy

"Ry rahalahy sy anabavy any Madagasikara.

Omban’ny fahasoavan’Andriamanitra, ho eo anivonareo aho afaka andro vitsy!

Dieny izao sahady dia iriko hipaka any aminareo ny fiarahabana avy amin’ny foko, miaraka amin’ny fisaorana amin’izay rehetra efa nataonareo sy mbola ataonareo hanomanana ny famangiako. Misaotra anareo indrindra aho amin’ny vavaka ataonareo, na ny isam-batan’olona, na ao amin’ny fianakaviana na amin’ny isam-piangonana, na koa any amin’ny hopitaly sy any amin’ny fonja.

Tsy manam-petra tokoa ny vavaka, ka rehefa tonga any Madagasikara aho, na dia tsy ho afaka hamangy afa-tsy toerana sasantsany aza, dia hahatratra anareo rehetra amin’ny alalan’ny vavaka, ary hitalaho ny Tso- dranon’Andriamanitra hirotsaka aminareo rehetra.

Ry malagasy namana malala, ny firenenareo dia malaza amin’ny hatsarana voajanahary, ka noho izany dia aoka isika hilaza hoe “Ankalazaina anie Andriamanitra !” Adidintsika ny miaro sy mikolokolo azy. Fa mbola misy hatsarana hafa izay tena ao ampon’i Kristy sy ny Papa bebe kokoa : dia ny hatsaran’ny vahoakany, izany hoe ny fahamasinanareo!

Izany indrindra no antony hahatongavako hankahery anareo amin’ny finoana sady hanovo soa amin’ny finoanareo. Hampahazo antsika io fanomezana io anie ny Virjiny Masina. Misaotra ary mandram- pihaona tsy ho ela!"


***********************************************

Chers frères et soeurs de Madagascar !

Avec la grâce de Dieu, d’ici peu de jours je serai parmi vous ! Je désire vous adresser dès maintenant mes salutations les plus cordiales, ainsi que mes remerciements pour tout ce que vous avez fait et faites pour préparer ma visite. Je vous remercie surtout pour votre prière tant personnelle qu’en famille, tant dans les communautés paroissiales que dans les hôpitaux et les prisons. La prière ne connaît pas de frontières, et quand je serai à Madagascar, même si je ne peux visiter que quelques endroits, je vais atteindre tout le monde par la prière, et pour tous j'implorerai la bénédiction de Dieu.

Chers amis malgaches, votre pays est célèbre pour ses beautés naturelles, et pour elles nous disons : "Loué sois-tu Seigneur “! Il est de notre devoir de les protéger avec soin. Mais il y a une autre beauté encore plus chère au Christ et au Pape : celle de son peuple, c'est-à-dire votre sainteté ! C'est pourquoi je viendrai vous confirmer dans la foi et en même temps m'en inspirer. Que la Sainte Vierge nous obtienne ce don. Merci et à bientôt !

Mis à jour ( Mercredi, 04 Septembre 2019 17:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Gaby Rabesahala. Décédé le 08 Septembre 2019

 

Antananarivo. Ny Papa François sy ny fifamoivoizana

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Papa Ray Masina François. Hafatra ho an'ny Vahoaka Malagasy

 

Yokohama TICAD 7. Le PM Shinzo Abe promet des soins médicaux de base accessibles à 3 millions de personnes supplémentaires sur le continent africain

 

Yokohama. Le Président Rajoelina sur le front de la malnutrition

 

Madagascar. Clôture du Projet Procom de l'UE

 

Mahamasina. “NDAO eLALAO”, Premiers jeux corporatifs by eTech

 

Madagascar-Chine. Une Journée culturelle 2019 avec l'Université d'Antananarivo

 

Jaona Elite. Nodimandry tampoka ny 7 Jolay 2019