]
Les quotidiens du 12 Dec 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Rajerison Véronique Nicole. Manohana an’i Andry Rajoelina

Rajerison Véronique Nicole. Manohana an’i Andry Rajoelina

Ramatoa Rajerison Nicole Véronique taorian’ny fanambaran’ny HCC ny vokatra ofisialin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 07 Novambra 2018

FANAMBARANA

Ny mpikambana amin’ny Birao politikan’ny Antoko « Union Nationale pour la Refondation et la Reconstruction de Madagascar» (UNRRM) dia manao izao fanambarana manaraka izao taorian’ny lanonana manetriketrika nentin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalàmpanorenana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny vokam-pifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika vaovao ny 07 novambra 2018 ka nanehoan’ny olom-pirenena miisa 5 367 550 ny safidiny tamin’ny fihodinana voalohany.

Miarahaba manokana ny kandidà Andry Nirina Rajoelina izahay satria nitarika izy ary nisafidy azy ny olom-pirenena miisa 1 954 023 (39,23%) tamin’ny fihodinana voalohany.

Maneho fisaorana feno sy fankatelemana anareo mpikambana amin’ny UNRRM rehetra manerana an’i Madagasikara izahay tamin’ny nanefanareo ny adidy tamin’ny fihodinana voalohany ka nifidy ny kandidà Andry Nirina Rajoelina. Manentana anareo izahay tsy hikely soraka hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fanohanana ny kandida Andry Nirina Rajoelina.

Ny olom-pirenena izay tsy nandray anjara tamin’ny fihodinana voalohany nohon’ny fisalasalana tamin’ny fanomanana ny fifidianana sy ireo « sakana samihafa » kanefa voasoratra anarana ao anatin’ny lisim-pifidianana dia manentana azy ireo izahay hamita ny adidiny amin’ny fihodinana faharoa satria zo sy adidy amin’ny tanindrazana izany, hanara-maso ny fanisam-bato isaky ny Biraom-pifidianana ny 19 desambra 2019.

Tsy maintsy mandresy ny kandidà Andry Nirina Rajoelina izay kandidà tanora sy manana fikirizana ary MANANA TOE-TSAINA MANDRESY.

Masina ny Tanindrazana.

Alasora, faha 28 novambra 2018

Ramatoa RAJERISON Nicole Véronique
Filoha nasionalin’ny UNRRM
Mpanolon-tsaina “Commune Urbaine Antananarivo (CUA)”

Mis à jour ( Jeudi, 29 Novembre 2018 03:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Jeannot Ramambazafy 09 décembre 2016 - 09 décembre 2018

 

Bordeaux. Chants de Noël en Malgache et Français, le 9 décembre 2018

 

France. Macron décrit et décrié à travers une parodie d’«Alors regarde» de Patrick Bruel

 

TIKOLAND. Les comptes de fait Ravalomanana en vente sur Amazon

 

Rajerison Véronique Nicole. Manohana an’i Andry Rajoelina

 

MADAGASCAR IEM. CONFERENCE SUR LA SECURITE AU CCI IVATO, LE JEUDI 29 NOVEMBRE 2018. REDIFFUSEE LE VENDREDI 30 NOVEMBRE 2018, A 20H, SUR VIVA TV, KOLO TV ET TV PLUS

PROGRAMME ICI PHOTOS 1 ICI PHOTOS 2 ICI...

 

Antananarivo Alliance française. Spectacle complet pour « Tsiahy an-kira »

 

Mbola Rajaonah. Le Bianco donne des précisions

 

Andry et Mialy Rajoelina. Préparatifs en photos d'un futur couple présidentiel