]
Les quotidiens du 14 Sep 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Lantomalala Rasata. Nalevina ny 7 Jolay 2018 ao Anjomakely Manelo RN7

Lantomalala Rasata. Nalevina ny 7 Jolay 2018 ao Anjomakely Manelo RN7

Noho ny aretina nahazo azy dia nodimandry tao amin’ny hôpitaly miaramila (HOMI) Soavinandriana, ny Alarobia 4 Jolay 2018, teo amin’ny faha-56 taonany i Lantomalala Rasata, mpanao gazety ao amin’ny TVM (Televizionina Malagasy).

Mpanao gazety matihanina vita fiofanana tany amin’ny Firaisana Sovietika (URSS teo aloha) izy. Ny taona 1990 izy no nanomboka niasa tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM ary anisan’ireo mpanao gazety nisahana ny fanatanjahantena (« journaliste sportif ») izy.

Fa isan’ireo mpanao gazety nanokatra ny Radio Tsioka Vao (RTV) ihany koa i Lantomalala Rasata tamin’ny taona 1991-1993. RTV izay nahenona an-dry Pierre Holder, Pamphile Rambelo ary Maurice Tsihiavonana izay vao nodimandry ny 2 Jolay 2018. Tao i Lantomala dia nampiofana tanora naniry ho mpanao gazety. Teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2016 dia Talen’ny Tvm i Lantomalala Rasata.

Ny Sabotsy 7 Jolay 2018 izy no navelina ao amin’ny fasan-drazany ao Anjomakely Manelo Lalam-pirenena faha-7. Amin’ny alàlan’ny anarako dia miara ory amin’ny fianakavian’i Lantomalala iray manontolo ny madagate.org.

Mandria am-piadanana zandry.

Jeannot Ramambazafy

+++++++++++++++++++++++

Mis à jour ( Jeudi, 12 Juillet 2018 15:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Monja Roindefo, ancien PM. Réactions face à sa convocation au Pôle anti-corruption

 

Antananarivo. Infinix, le smartphone conçu pour "aller au-delà de l'intelligence"

 

Andry Rajoelina tany Arivonimamo sy Manalalondo

 

Antoko Fanorolahy. “Asa avy hatrany fa tsy kabary ny fanorenena ifotony”

 

Bordeaux. Décès de Mme Huguette Vérin, Consul Honoraire de Madagascar

 

Akademia Malagasy. Fiovana goavana eo amin'ny politikan'ny Teny sy momban'ny Fanisana

 

Hery Rajaonarimampianina. « Non je n’avais jamais pensé en 2009 à être président »

 

Madagascar. Le sénateur Zo Rakotoseheno subitement décédé le 22 juillet 2018

 

Madagascar. L'affaire Antsakabary toujours sous le coup de l'impunité totale