]
Les quotidiens du 03 Jun 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Mahafaly Olivier: “Demokraty aho ka manaja ny fanapahan-kevitry ny HCC”

Mahafaly Olivier: “Demokraty aho ka manaja ny fanapahan-kevitry ny HCC”

Anosy, 01 Jona 2018 – Nanome voninahitra ny fotoam-pitsarana manetriketrika fianianana sy fametrahana amin’ny toerany ireo mpikambana mandrafitra ny Fitsarana Avo (“Haute Cour de Justice”) izay natao tetsy amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Mikasika ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana ny Praiminisitra taorian’ny lanonana, ny amin’ny fanoloana Praiminisitra dia nilaza fa: “olona demokraty ny tenako, manaja ny fifandimbiasam-pahefana, manaja ny lalàna sy ny fanapahan-kevitra izay miompana amin’ny Lalampanorenana, manaja ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana ihany koa ary manaja ny soatoavina demokratika sy repoblikanina. Rehefa tonga ny fotoana, sahala amin’ny nataoko tamin’ny voalohany, am-pitiavana no nandraisako ny toerana maha-Praiminisitra ary maro ireo zavatra tsy maintsy nosedraina tamin’izany, dia am-pifaliana ihany koa no hanolorako ny fahefana amin’izay olona handimby araka ny Lalampanorenana… Ny irariana, ary manao antso avo aho, dia ny mba hiverenan’ny fitoniana eto Madagasikara, satria izay no ilain’ny vahoaka Malagasy rehetra. Tsy misy afa-tsy ny fitoniana sy ny firaisankina ihany no entintsika mampandroso an’i Madagasikara”.

Loharanom-baovao: Seraseran’ny Primature Mahazoarivo

Ny tena dikany dia ny filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy no tsy manara-dalàna ary ny loza dia naniraka ny minisitra Béni Xavier Rasolofonirina, hiresaka ny hoe "situation d'exception". (ETO)

Mis à jour ( Dimanche, 03 Juin 2018 06:42 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mahafaly Olivier: “Demokraty aho ka manaja ny fanapahan-kevitry ny HCC”

 

Madagascar. La facticité d’un régime de leurres, rétrograde et dangereux

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Madagascar. Pour sauver Hery Rajao, Ressuscitez Tsiranana et Zafy pendant que vous y êtes !

 

Victor Georges Andriananjason. Fihaonana tamin'ireo Mpanao Gazety Zokiolona (CJD)

 

Madagascar. Mgr Désiré Tsarahazana, Cardinal à partir du 29 juin 2018

 

Antananarivo. S.E.M. Harald Gehrig et les 135 ans du Traité d'amitié germano-malgache

 

Madera (Désiré Philippe Ramakavelo): «Tsy matahotody»

 

Madagascar Wednesday Morning Group. Marcelle Robinson, présidente 2018-2020

 

Madagascar: conséquences de l’utilisation abusive de la détention abusive, par Tamara Léger