]
Les quotidiens du 04 Jan 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche INSPNMAD. HANANGANA ONIVERSITE LEHIBE IRAY AMIN’NY TAONA 2018

INSPNMAD. HANANGANA ONIVERSITE LEHIBE IRAY AMIN’NY TAONA 2018

Mankalazana ny faha-10 taonan’ny sehatra fampianarana ny paramedicaly ny INSPNMAD (Institut des Paramédicaux Novateurs de Madagascar), ary ny faha-5 taonan’ny Master politeknika sy ny Master paramedikaly.


Ny 20 Desambra 2017 no nanomboka ny fankalazana. Ny INSPNMAD dia anisan’ireo sekoly lehibe indrindra eto Madagasikara raha ny sehatra ny Paramedikaly no resahina. Maro ny mpianatra no efa tafita amin’ny sehatra ambony nivoaka tamin’ity sekoly ity hatrany ivelany. Teo koa ny eto an-toerana izay miely eran’ny Nosy, indrindra moa fa eran’ireo Distrika miisa 100 mahery.


ILAINA NY FIKIRIZANA VAO TAFARINA

“Làlana sarotra ary tsy mora no nodiavina”, hoy indrindra Andriamatoa Razanadrakoto Roland Albert, Filoha tale jeneralin’ny INSPNMAD. Olana anisan’ny nosedraina ny fomba fahazoana taratasy ara-dalàna avy amin’ny fanjakana. Isaky ny misy fiovana governemanta dia saika miova foana ny anaran’ny ministera miandraikitra azy io, ary dia miezaka ny sekoly manaovao foana ny antonta-taratasy ao aminy.


Eo amin’ny lafiny fitaovana dia noezahina ny fanarahana ny fitaovana hifanaraka amin’ny toe-andro, ary ny fametrahana ireo tanora ho mendrika rehefa mivoaka ao amin’ny sekoly. Voizina amin’izany ny fahaizana amam-pahalalàna ary amin’ny maha tomponandraikitra ilay mpianatra rehefa mivoaka ao.


Anisan’ny tsangam-bato lehibe hiorina amin’ny taona ho avy ny fisian’ny Oniversite ho an’ny INSPNMAD, araka ny fanazavana nomen’ny Filoha Tale Jeneraly izay notolorana ny mari-boninahitra Chevalier de l’Ordre national io 20 Desambra io noho ezaka vitany teo amin’ny lafin’ny fanabeazana.

Tonga nisolotenan’ny Filoham-pirenena nanolotra izany teny Alakamisy ny Lehiben’ny Distrikan’Ambohidratrimo, Andriamatoa Andriamboavonjy Tahiry, notronin’ireo mpampianatra eo anivon’ny INSPNMAD sy ireo mpianatra rehetra ao.


RAKOTONIRAINY Andry

Mis à jour ( Samedi, 23 Décembre 2017 09:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Hery Rajaonarimampianina. Fiarahabana: Inona indray no lainga holazaina amin’ny vahoaka?

 

Madagascar. Bianco/Unesco: tous contre la corruption

 

Malagasy Kidnapping. Porte ouverte aux kidnappeurs à la sauvette

 

INSPNMAD. HANANGANA ONIVERSITE LEHIBE IRAY AMIN’NY TAONA 2018

 

Madagascar. Une solidarité pour quelle cause exactement? Désolidarisation plutôt!

 

Madagasikara. Karatra mpanao gazety: ataovy any ny anareo!

 

Madagascar. Inaptocratie ou faits accomplis du régime Hvm, qu’il a vraiment accompli

 

Madagascar. Un pays en danger comme sa presse nationale

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter