]
Les quotidiens du 10 Nov 2017
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche NIAMBOHO NY GRAND CHANCELIER ETIENNE RALITERA

NIAMBOHO NY GRAND CHANCELIER ETIENNE RALITERA

Niamboho Ny Andriana Etienne RALITERA, Grand Chancelier de l'Ordre National de Madagascar, Grand Croix de Première Classe, Filohan' ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara teo aloha (2002-2015), Terak' Andriantompokoindrindra Lahimatoan'Imerina, Terak'Andrianjaka ary Terak'Andrianampoinimerina.

Izy dia nianatra tao amin' ny Ecole Le Myre de Villers ary nanomboka ho mpiasam-panjakana tany Mahajanga (1958), ary teto Antananarivo tao amin' ny Ministera isan-karazany tamin' ny repoblika voalohany (1960-1972), ny governemanta Ramanantsoa (1972-1975), mpiasam-panjakana ambony sivily tao amin' ny Directoire Militaire (1975), avy eo tao amin' ny fiadidian' ny repoblika nanomboka tamin' ny repoblika faharoa (1975) ka hatramin' ny repoblika faha-efatra (2017), ary Grand Chancelier de l'Ordre National de Madagascar (2002-2017).

Tena RAIAMANDRENY Olon' ny Fihavanana izy ary nandalina ny Tantara sy ny Soatoavina ary ny Fomba sy ny Kolotsaina malagasy. Ny Grand Chancelier Etienne Ralitera dia nanamafy ny Fihavanana izay efa nisy arivo taona mahery teo amin'ny foko rehetra manerana an'i Madagasikara. Azo lazaina fa tena goavanane ny asa vitany ho an'ny firenena satria Raiamandreny niaro hatrany ny vahoaka madinika izy, Raiamandreny namaha olana sarotra teo amin'ny firenena ho an'ireo izay nankany aminy, Raiamandreny niaro an'Imerina tamin'ny fahirano nataon'ireo mpanao politika sasany ary Raiamandreny nanamafy hatrany ny Fihavanana manoloana ny fandranitana adim-poko ataon'ireo mpanao politika sasany.Notandrovany fatratra hatrany ny Fihavanam-pirenena.

Izy no nanolotra ny Mari-boninahitra ny firenena ho an' ny olomanga sy olo-manankaja maro, toa an' Atoa Ban Ki Moon Sekretera Jeneraly ny Firenena Mikambana sy Atoa Romano Prodi Lehiben' ny Commission Européenne ary ny Prince Albert de Monaco.

Namela vady (Violette Ralitera) sy zanaka dimy mirahalahy (Alain, Nary, Jacques, Ndrina sy Joël Ralitera) ary zafikely maro ny Andriana Etienne RALITERA. Koa mirary Fiononana feno ho an'ny fianakaviana maonontolo.

Antananarivo, faha-30 Oktobra 2017.

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,

Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

****************


Mis à jour ( Jeudi, 02 Novembre 2017 04:47 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Grand Chancelier Etienne Ralitera. Qu’est-ce donc cette fonction qu’il a longtemps honorée?

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Antananarivo. Quand la Jirama tue la production dans tous les domaines

 

Antananarivo: Incendie du Rova, 22 ans déjà

 

Antananarivo Villa Elisabeth. Firenena tsy misy tantara tsy firenena

 

NIAMBOHO NY GRAND CHANCELIER ETIENNE RALITERA

 

Lille-Hellemmes. Suite du drame de la crèche «L’Amicloterie» où Tahina laissa sa vie

 

InSPNMad. C’est la rentrée pour cette Université internationale professionnalisante

 

Madagascar. Traite des blanches «new look» vers la Chine: ce n’est plus du cinéma

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter