]
Les quotidiens du 10 Feb 2013
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Communauté Malagasy Hay teo foana i Kristy, 7 Febroary 2013

Hay teo foana i Kristy, 7 Febroary 2013

VIDEO - TSINDRIO ETO

Taona sy taona nisesy nitadiavan-tsoa
Nihodikodina nefa tsy nety nitony ny fo
Ireo izay nitokiana nandao avokoa
Tany efitra sady nangiana no niainako

Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Nitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy

Foana izao ny fotoana izay laniko
Andro mirana sy lohataona izao ny androko
Tojo izay nantenaina aho ka dia afa-po
Ilay fiainako teo karakaina niova ho soa

Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Nitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy

Io ambony io ny tonon-kira avy amin’ny Chorale Fiderana. Izay nihirain’ny Chorale FEFI, ny alakamisy 7 Febroary 2013, teo Ambohitsorohitra (jereo ny video).

Fa io ambany io kosa ny tonon-kira noforonin’i Jocelin Ranjarison

Fatra-pitady hafaliana taloha aho tamin-java-boarara

Ka notsiniako ireo loza mpahazo ahy tety an-tany.
Niraiki-po tamin'ny tany aho mandra-pianjerako nitsirara
Tamin'io indrindra anefa no niantso ahy ilay Mpiandry Tsara

Ref. (Fiverenenana)
Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Niandry ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy

Tsy hitako intsony rendrarendra izay namitaka ahy
Haiko izao ny lalan-tsara ka hizotra aho tsy amin'ahiahy
Ny fiainako isanandro miaraka aminy dia mamy ery
Ô, indrisy raha fantatrao tsy nampiandrasiko mihitsy i Kristy

Ref. (Fiverenenana)

Mis à jour ( Vendredi, 08 Février 2013 09:26 )  

Madagate Web-TV

TOUTES LES ACTIONS DE L'ASSOCIATION FITIA

Madagate Affiche

 

Artists Angels pour Madagascar: 279.600 euros d’œuvres vendues chez Christie’s

...

 

Béatrice Atallah: discours de clôture du second conclave au CCI Ivato

 

COI : Claude Morel, nouveau Chef du Bureau de liaison à Madagascar

...

 

Nosy Be : Un million $ du SEFA pour 50 000 personnes

...

 

Madagascar : Child helplines 147 et 511

 

Milan: Lumière sur Madagascar, destination Tourisme durable

 

STAR Madagascar : Grenadelle, Plus c’est Fanta, moins c’est sérieux !

...

 

OIT : priorité à l’agriculture en Afrique